Foto-pinoana FJKM

1. Ny foto-pinoana no mampiavaka ny fivavahana kristiana amin’ny fivavahana hafa.Jesoa Kristy, Izay Andriamanitra tonga nofo araka ny fanambaran’ny Soratra Masina no inoan’ny Kristiana ho zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy. Tsy finoana notefena na noforonina ny FINOANA KRISTIANA fa finoana teraka avy amin’ny fandrenesana sy fanambaran’ny Soratra Masina ho Filazana ny famonjen’i Jesoa Kristy .

2. Ny Foto-pinoana ao amin’ny « isam-piangonana » no mampiavaka azy amin’ny hafa, nefa koa iorenan’ny fifandraisany amin’ny hafa. Ny fivavahana kristiana dia IRAY IHANY na TOKANA, fa ny fototry ny fampianarany izay ampiorenany ny finoany ka atao hoe FOTO-PINOANA no misy hoe « foto-pinoana katolika romana » na « foto-pinoana katolika ortodoksa » na « foto-pinoana anglikana » na « foto-pinoana protestanta », sns . . .

Ny fisian’ny atao hoe FEDERATION na ALLIANCE dia milaza fa ny mitovitovy faharesen-dahatra sy fampianarana dia mitambatra ho andiany (entité) iray toy ny hoe Féderation Protestante, Fédération Luthérienne Mondiale, Alliance Réformée Mondiale izay nihitatra sy nitombo velarana ka lasa hoe COMMUNION MONDIALE DE L’EGLISE REFORMEE . Arakaraka ny mampazava an’izay fototry ny finoana sy ny fampianarana maharesilahatra sy arahina , no ifanajàna sy ifanatonana ary ifandraisana ka tsy hifampiandaniana.

3. Ny Fototra lehibe iraisan’ny Protestanta rehetra ka iorenany vokatry ny fanitsiam-pivavahana tamin’ny taon-jato faha XVI ,izay tena asan’ny Fanahy Masina nanavao ny finoana sy fiainan’ny Fiangonana dia ireto :

a) Ny Soratra Masina Irery ihany ;

b) Ny Finoana Irery Ihany ;

d) Ny Fahasoavana irery ihany ;

e) Ny Fanahy Masina sy ny asany.

Ireo no maha-izy ny Fiangonana ary fototra iorenan’ny Fiangonana sy ny Finoana Protestanta efa hatrany amin’ny fotoana voalohany nahaterahan’ny Fiangonana (Asan’ny Apostoly 1 sy 2.)

Ny iainan’ny Fjkm sy fampiharany an’ireo ho fototra sy fampiorenany ny finoany, ary mampiombona azy amin’ny fampianarana iraisan’ny Fiangonana Protestanta rehetra , no atao hoe FOTO-PINOANA FJKM izay miseho araka ireto :

1. NY TORITENY SY FAMPIANARANA miorina amin’ny Soratra Masina (Mat 18/19 ; Mar/16/15sm ;Asa 8/31 ; Rom 10/17 . . )

2. NY SAKRAMENTA ROA SY NY LITORJIA.

3. NY KATEKISMA ampianarana momba ny :

– Baiboly sy Tantaran’ny Famonjena

– Ny fanekem-pinoana apostolika ,Nikeana ,Biblika ,Réformée.

– Ny Lalàn’Andriamanitra ,

– Ny Vavaka nampianarin’ny Tompo.

– Ny fiangonana sy ny Tantarany (Mat 28/20;Jao 21/17 ; . . . .)

4. Ny FANDAMINANA :Ny rafitra sy fitondrana no miahy sy enti-miaro ny finoana sy ny fitaizana azy mba ho velona sy azo iainana . . .

Avy amin’ireo no nentina namaritra ny fomba fiasa mba anajana fatratra ny fiangonana izay Reny niteraka ny finoana ao amin’ny mpino kristiana.

Ireo ary no anorenan’ny fjkm ny fitaizany sy ny fiarovany ny finoana kristiana ao aminy. Tsy ampy velively hilazana ny maha “kristiana fjkm” ny fampiasana ny litorjiany sy fanarahana Perikopany, satria mifamatotra amin’ny tantarany sy ny Rafitra ao aminy hatrany izany .Ny Rafitra sy ny ambaratongam-pitondrana ao aminy no nanangana io Litorjia sy Perikopa io,araka ny fifandraisany amin’ireo Fiangonana kristiana mpiara-dia ao amin’ny fianakaviambe toy ny “Conseil Oecumenique des Eglises ”, na “Communion Mondiale des Eglises Réformées” . Tsy azo anesorana ireo zava-dehibe efatra voalaza etsy aloha ireo satria manjary tsy feno ny fototra ,nefa koa tsy hoe ampiana araka izay itiavana azy, satria miteraka fisaratsarahana sy manimba ny fiombonana izany ,raha tsy hoe ny Fahefam-piangonana izay antsoina hoe ny Synoda Lehibe no manao fanamboarana azy .

Ny maha kristiana na ny finoana kristiana dia misy fototra iorenany toy ny faka hamaharany mba hahavelona azy, rehefa teraka avy amin’ny fandrenesana ny Filazantsara na ny Tenin’Andriamanitra torina sy ampianarina izany ka, na io avy amin’ny tenan’ny olona tsirairay mihitsy (olon-dehibe niova fo sy resilahatra), na fanatanterahana amin’ny zaza sy ny ankizy ireo fanekena nataon’ny Ray aman-dReny teo amin’ny fanaovam-batisa azy (fanontaniana faha-3 sy faha-5).

Ny Fiangonana tsirairay avy (Katolika romana, Katolika ortodoksa , Anglikana , Loterana, Reforme),dia samy manana ny antsoina hoe Foto-pinoana ao aminy avy , araka ny maha izy azy (identité) .Toy ny hoe samihafa raha atao indray milaza angamba, saingy miombona ho iray AO AMIN’I KRISTY ihany izy ireo araka ny Jao 17/20-23; Rom 12/4; 1Kor 12/12,13 ;Efes 4/16 ; . . .

Ny Foto-pinoana dia manambara ny fisian’ny Fiangonana ,ka iantsoana azy hoe “marim-pototra” ,ary toy izany koa ny kristiana ,fa ny olona mpino manana Fiangonana misy foto-pinoana mazava , no atao hoe “kristiana manana finoana marim-pototra” ka tsy mora voahozongozon’ny fampianarana samihafa miseho etsy sy eroa.

Tsy tena manana finoana marina ny olona miteny hoe : “Andriamanitra Iray ihany,ka dia azo atao ny mandehandeha mitetitety eran’izao fiangonana samihafa rehetra izao, fa tsy voafetry ny fiangonana anankiray” ,na hoe “tsy ny anaram-piangonana no ahazoana ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay fa ny toetrako ihany na ny asako ihany ,sns . . .” Milaza toetra tsy tan-dalàna izany, araka ny fomba fiteny hoe “mpanao ny tsy ara-dalàna”,ary koa tena tsy fahalalana sy tsy fahamatorana , sady tsy fananana “personnalité” na “identité”, nefa milaza fa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra na te ho ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra izay efa santarina ety an-tany ny ampahany amin’ny alalan’ny Fiangonana kristiana izay ambaran’ny Soratra Masina ho Tenan’i Kristy (Efes 2/22-23; 4/12;Kol 1/24).

Ny kristiana miombona tsara ao amin’ny Fiangonana manana Foto-pinoana mazava tsara no afaka miteny hoe “fantatro izay inoako”(2Tim 1/12) sy mahalala ny hevitr’izany .

Raisina manokana hamehezana izao fanazavana sy fampahafantarana izao, izay ambaran’ny Apokalypsy 3 /7-13 manontolo, ary anipihina manokana ny hoe “ . . .tano mafy izay anananao ,mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao”.