HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF05 SLXVIII

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF05 SLXVIII

CFD AMPANDRANA 17-24 OKTOBRA 2018

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ara-potoana teto Antananarivo CFD Ampandrana tamin’ny 17-24 Oktobra 2018, mamangy ny mpianakavin’ny finoana manerana ny sahan’ny FJKM, ary mampahery antsika Kristiana haharitra sy hitoetra amin’ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny mandrakariva: « Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin.Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. »

  • Misaotra sy mankasitraka ny Tompo Jesoa, Lohan.ny Fiangonana, isika fa tanteraka soa aman-tsara ny ivon’ny Jobily tany Toamasina, izay nitokanana ny Tsangambato dia ny Sekoly David Jones.

Vita koa ny famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM sy ny faha 200 taona nahatongavan’ny Misiona LMS, izay natao tao Antananarivo ary nitokanana ny Tsangambato, dia ilay trano lehibe misy rihana telo ho an’ny fanomanana Mpitandrina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.

Mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fandraisana anjara, ho fananganana io Tsangambato io. Marihina etoana anefa fa mbola betsaka ireo asa tsy maintsy hatao eny an-toerana sy izay momba azy, ka dia manentana sy miantso ny tsirairay, ny isan-tokony avy eran’ny sahan’ny FJKM, mba hanohy hatrany ny ezaka fandraisana anjara mitohy.toy izay efa nataontsika.

  • Isaorana koa ny Tompo Jesoa noho ireo fiofanana samihafa natao. Koa entanina isika mba hiroso amin.ny fihavaozana ka hampihatra izay niofanana.
  • Mankasitraka ny Synodamparintany sy ny Fitandremana rehetra, ny amin.ny ezaka fanefana ny Adidy lombonana, fa tena fampandehanana ny asa iraisantsika izany. Ampahatsiahivina izay mbola eo an-dalam-panatanterahana fa efa hifarana tsy ho ela ny taom-piasana.

Entanina isika mba hijery manokana ny momba ny Sekoly FJKM. Marihina fa mihatsara mandrakariva ny voka-panadinana ao amin’ny Sekoly FJKM.

  • Fotoam-panavaozana ireo tomponandraikitra isan.ambaratonga eto amin.ny FJKM ny taona ho avy, 2019, koa aoka samy hanatanteraka ny manandrify azy araka izao:

– Janoary-Aprily: ao amin’ny Fitandremana

– Mai-Jolay: ao amin’ny Synodamparitany

– Aogositra-Desambra: ao amin’ny Foibe (SSA)

Ny fotoana hanatanterahana ireo Zaikabe sy Fihaonambe dia efa nankatoavina tamin’izao fivoriana izao.

  • Hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ny Sekoly Protestanta FJKM isika amin’io taona 2019 io. Koa entanina isika hiombona amin’ireto:

– Fanokafana: 26, 27, 28 Martsa 2019 any Tsiroanomandidy amin’ny sy ny fahamendrehana. Andron’ny Sekoly FJKM

– Ivony: 8 Septambra 2019 any Fianarantsoa

– Famaranana: Novambra 2019 eto Antananarivo

  • Ny Mpiandraikitra Foibe dia mampahatsiahy fa, araka ny Soratra Masina sy araka ny Fotodalana sy Fitsipika FJKM and. 74 hoe: “tsy eken’ny fiangonana ho fanambadiana mihitsy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy sy ny fampirafesana.”, ka miantso ny tomponandraikitra mba tsy hampiditra izany ho ao anatin’ny lalana manan-kery eto Madagasikara. raha sanatria misy mihevitra ny hanao izany.
  • Momba ny fifidianana dia manantitra etoana ny hafatra teny Mahamasina tamin’ny 21 oktobra 2018 hoe:

Mijoroa ho olom-pirenena TSARA, dia mifidiana olona TSARA, dia olona

– Tsy manan-tsiny, matahotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina

– Sahy sy vonona hanompo

– Afaka hahavita zavatra

– Resy lahatra hisokatra amin’ny hafa

– Andrin’ny fianakaviana

Anterina koa ny tsy hanaovana ho fitaovana politika ny Fiangonana mba tsy hisian’ny endrika fampielezan-kevitra ao anaty fivoriam-piangonana.

Entanina ny Fiangonana FJKM rehetra hanana fotoana hivavahana manokana ho an.ny firenena.

Dia mirary soa ho antsika Kristiana rehetra mba hahatratra ny krismasy 2018, sy ny taona vaovao 2019, ao anatin’ny fitahian’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.

“Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafitohina ary hametraka anareo tsy hana-tsiny eo anoloan’ny Voninahiny amin’ny firavoravoana ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika amin’ny alalan’l Jesoa Kristy Tompontsika anie ny voninahitra sy ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen..” (Joda 24-25)

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina