Ny fijoroany

HO AN’NY MPITANDRINA SY NY FIANGONANA  MANERANA NY SAHAN’NY FJKM
Ry havana,
Ho aminareo anie ny Tompo Jesoa.

Izahay Mpitandrina sy fiangonana eto amin’ny FJKM MONTROUGE VAOVAO, dia mamangy anareo fianakaviam-be ato amin’ny FJKM.
Mba ho fampahafantarana sy ho fanazavana dia indro izahay milaza aminareo fa ny fiangonana FJKM Montrouge Vaovao dia ao anatin’ny Synodamparitany faha 37, VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA (SP VFA 37), izay miray amin’ny fjkm manontolo. Nisara-dalana tanteraka tamin’ilay Fiangonana tao Montrouge taloha, ao amin’ny fiangonana ERF, 64 rue Maurice Arnoux, ny FJKM Montrouge Vaovao, rehefa nahazo alalana sy fankatoavana avy amin’ny Filoha sy Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe SATRIA :

  1. Tsy tena FJKM io fa Fiangonana Protestanta Kristiana Malagasy (FPKM) na Eglise Protestante Chretienne Malgache (EPCM). Io no anarany araka ny Statut (J.O n°17 du 24-04-1985 et n°34 du 21-08-1999), any amin’ny fanjakana, ary tsy ireo biraon’ny Fitandremana araka ny Fitsipika sy Fotodalana no mitantana ny fiangonana feno, na dia misy tokoa aza izany, fa ny President sy Biraon’ny “Association Cultuelle Loi 1905”.
  2. Ny Mpitandrina mitondra ao, araka ny Statut voalaza etsy aloha, dia TSY MAINTSY MIZAKA NY ZOM-PIRENENA FRANTSAY (de nationalité française)
  3. Tsy eken’ireo President sy Biraon’ny “Association Cultuelle Loi 1905” ny fisiana sy fijoroan’ny Synodamparitany faha 37 amin’ny maha rafitra mpiahy azy, ary efa nolaviny an-tsoratra mazava tsara izany sy nampahafantariny ny birao Foibe, ka nilazan’izy ireo fa tsy mpikambana ao ny FPKM(EPCM) Montrouge, 64 rue Maurice Arnoux, na dia efa ny Filohan’ny Fjkm sy ny Sekretera Jeneraly niaraka tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra marobe aza no nanangana sy nitokana ny SP, mba ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe XVI tany Mahajanga (Aogositra 2008).

Koa ataonay izao fampahafantarana izao mba hampahazava ny anton’ny fijoroan’ity FJKM Montrouge Vaovao ity ka tsy hampisalasala ny maro.
Ho antsika rehetra zanaky ny FJKM izay mandalo ao Paris sy ny manodidina, ka maniry hiara-mivavaka ao amin’ity fiangonana ity dia indro ny toerana misy azy. Trano Fiangonana Loterana frantsay ao amin’ny “174 boulevard Vincent Auriol – Paris 75013 – métro Place d’Italie”. Isaky ny Alahady hariva  manomboka amin’ny  DIMY ORA SY SASANY (17h30) ny fanompoam-pivavahana.

Dia mirary soa sy manao veloma finaritra ho anareo ao amin’ny Tompo ry havana.
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana