FANEKENA sy FANOMEZAN-TOKY ATAON’NY FJKM MONTROUGE VAOVAO NY 12/02/11
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy lohan’ny fiangonana ry havana no hisoloako tena ny FJKM Montrouge Vaovao hiarahabana anao Andriamatoa Filohan’ny FJKM, sy ianao Andriamatoa filohan’ny SPVFA sy ianareo Mpiaramiasa aminy ao @ biraon’ny SPVFA, ary isika fiangonana rehetra manatrika etoana.
Mitodika aminareo manokana ary izahay fiangonana Montrouge Vaovao ankehitriny rehefa avy nihaino sy nandray ireo Fanekena nataonareo mivady teo anatrehan’Andriamanitra sy ireto Zanak’Andriamanitra ireto. Namafisinareo t@ alalan’ny Fanekena nataonareo teo ny asa efa natombokareo nandritra izay 17 volana nitandremanareo ny FJKM Montrouge Vaovao izay. Tsapanay tokoa ny fitiavanareo ny asa nanendren’ny Tompo anareo nandritra izany fotoana izany. Fa tsy mandry andro ianareo tsy mandry alina, nikely aina tokoa niahy anay ondry. Ary ho setrin’ny Fanekena nataonareo teo dia indreto izahay FJKM Montrouge Vaovao manao koa izao fanomezantoky sy fanambarana ampahibemaso izao fa:
|
Ary @ izany dia ny herin’ny Fanahy Masina no angatahinay hanampy anay @ fitandremana izany Fanekena izany @ anaran’i Jesoa Kristy lohan’ny fiangonana. Amena
Ho marik’izany Fanambaranay sy Fanomezan-toky nataonay fiangonana teo izany dia handray tanana anareo mivady aho misolo tena ny besinimaro. Isika fiangonana kosa izao dia hiara-hiombom-peo @ izy mivady @ ilay hira efa niomanantsika manao hoe: Harena sy fananako.
Amena.