Alahady 22 martsa 2020

FOTOAM-PIVAVAHANA

Alahady 22 martsa 2020

Ity fandaharana ity dia iraisantsika rehetra mpianakavin'ny finoana eto amin'ny FJKM Ziona Vaovao Paris ary tontosaina sy arahin'ny tsirairay any antokantranony avy.

Raha misy fanamarihana na fanontaniana dia azontsika atao ny manoratra mivantana amin'ny Biraon'ny Fiangonana (fjkm.ziona.vaovao.paris@gmail.com)

Fitaovana ilaina :

Matériels nécessaires :

MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

Litorjia endriny faharoa

FIDERANA NY TOMPO : Salamo 122 LOUANGE : Psaumes 122

1. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
2. Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4. Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
5. Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
6. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7. Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8. Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Amena

Hira FFPM 5 Cantique FFPM 5

VAVAKA PRIÈRE

Samy manonona ny vavaka fiderana ny Tompo isika isa-tokantrano

Azontsika atao ihany koa ny manonona ity vavaka ity :

Ray ô, midera Anao izahay fiangonana noho ny fitiavanao anay tao amin'i Jesoa Kristy Zanakao izay nomenao hamonjy anay. Mankalaza Anao izahay noho ny niantsoanao anay ka nanekenao handray anay eto amin'ity toerana ity. Misaotra Anao izahay fa mbola miteny sy mihaona aminao zanakao Ianao.

Eo anoloan'izany fitiavanao izany indrindra anefa no ahatsapanay ny maha-mpanota mahantra anay. Koa manatona Anao amin'ny fanetren-tena izahay, mangataka famindrampo sy famelan-keloka avy Aminao.

Ary misaotra Anao izahay fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra tokoa Ianao, ary mahari-po sady be famindrampo. Misaotra Anao noho ny famelan-keloka raisinay amin'ny finoana ankehitriny izao, noho ny ran'i Jesoa Zanakao Mpamonjy anay.

Dia samy hiasan'ny Fanahy Masina anie izahay tonga eto, mba handray sy hivelona amin'ny teninao mba hitomboanany hihatsara isan'andro amin'ny fitondrantena masina, ary ho voninahitrao izao fanompoana izao

Amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tomponay, Lohan'ny Fiangonana, no ivavahanay toy izany. Amena.

VAVAKA SY SORATRA MASINA PRIÈRE ET LECTURE DE LA PAROLE

Hira FFPM 205:1,2 Cantique FFPM 205:1,2

VAVAKA SY SORATRA MASINA PRIÈRE D'ILLUMINATION ET LECTURE

Vavaka alohan'ny Vakiteny
Isaia 31:4-6 Esaie 31:4-6
Lioka 15:11-24 Luc 15:11-24
2 Timoty 2:22-26 2 Timothée 2:22-26
Ray Masina ô, manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana. Amena.

Hira FFPM 461:1-3 Cantique FFPM 461:1-3

TORITENY PRÉDICATION

Toriteny amin'ny teny malagasy

Traduction en français

HIRA STK CHANT STK

VAVAKA FIFONANA PRIÈRE DE RÉPENTANCE

Samy manonona ny vavaka fifonana ny Tompo isika isa-tokantrano

Hira FFPM 444:1 Cantique FFPM 444:1

TENY FAMELAN-KELOKA : Isaia 54:10; 1 Jaona 2:1-2 DÉCLARATION DU PARDON : Esaie 54:10; 1 Jean 2:1-2

Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
Amena

Hira FFPM 514:1,4 Cantique FFPM 514:1,4

FANEKEM-PINOANA FAHA-4

Manambara ny finoantsika an'i Jesoa Kristy isika, dia araka ny tenin'i Jaona Mpanao Batisa hoe: "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao"(Jao.1:29)
Sy araka ny teny nataon'i Andrea hoe: "Efa nahita ny Mesia izahay"(Jao.1:41)
Sy araka ny teny nataon'i Natanaela hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'ny Israely" (Jao.1:49)
Sy araka ny teny nataon'ny Samaritana hoe: "Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao" (Jao.4:42)
Sy araka ny teny nataon'i Petera hoe: "Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona", "Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay" (Mat.16:16; Jao6:68)
ary araka ny teny nataon'i Tomasy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro" (Jao.20:28)
Amena

RAKITRA : Hira FFPM 434 OFFRANDES : Cantique FFPM 434

FANOLORANA NY RAKITRA : Ry Tompon'ny harena ô PRÉSENTATION DES OFFRANDES

TSODRANO : 1 Tesaloniana 5:23-24 BÉNÉDICTION : 1 Thessaloniciens 5:23-24

Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy no hanefa izany.
Amena

Hira FFPM 338 Cantique FFPM 338

TRINITE

Ho an'Andriamanitra Irery Ihany ny voninahitra
Amin'ny Anaran'ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Amena.