Valinteny teo amin’ny Fandraisantanana sy Fametrahana Mpitandrina

Andriamatoa Filohan’ny FJKM,
Andriamatoa Filohan’ny SP VFA (37) ,sy ireo Mpikambana Mpiara-miasa aminao ao amin’ny Birao,
Ianareo Mpitandrina rehetra ,sy ianareo vahiny rehetra nasaina manokana,
Ianareo Kristiana vahoakan’Andriamanitra ato anatin’ny SP 37,

Ho aminareo anie ny fiadanan’ny Tompo,
Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, Ilay Lohan’ny Fiangonana sady Tompony,dia indro ambarako eto ny ho fanatanterahako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny nanokanana ahy ho MPITANDRINA,amin’izao andraisan-tanana ahy sy ametrahana ahy hitondra ny FJKM MONTROUGE VAOVAO izao :

  1. Hatao laharam-pahamehana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny FANAMBARANA MADIO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana ,mba ho fitaomana sy fitarihina ny olona resilahatra ,ka ahatsiarovany ho eo akaikin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina,amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fiangonana sy ny Sakramenta.
  2. Hatao ho zava-dehibe ny fitaizana sy fampiasàna ny FINOANA amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny Kristiana amin’ny adidy isan-karazany sy ny andraikitra samihafa, araka ny Soratra Masina hoe : « Ny finoana raha tsy miasa dia maty mihitsy. » (Jak 2/17).
  3. Ho ezahina araka izay azo atao ny famangiana samihafa sy ny fifaneraserana amin’ny Kristiana,ka hisian’ny fifandraisana eo amin’ny mpianakavin’ny finoana,ary koa hisian’ny fifampihainoana mba hanafaka entana ny fieritreretan’ny olona izay mila vavaka sy fampaherezana,araka izay lazain’ny Soratra Masina hoe « Mifampitondrà izay mavesatra ary izany no aoka hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy » (Gal 6/2).
  4. Farany ,ho ezahina sy hatao izay hampiorina ny fitaizana araka ny fomban’ny FJKM, ka harovana
    fatratra ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba,amin’ny alalan’ny fanarahana sy fankatoavana ny FOTODALANA sy FITSIPIKA,ary ny fanajàna sy fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra amam-pandaminana ataon’ny isan’ambaratonga ao amin’ny Rafitra dia : ao amin’ny Fitandremana,ny avy amin’ny Synodamparitany ,ny avy any amin’ny Foibe,ny avy amin’ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe,ary ny an’ny SYNODA LEHIBE ;izany dia hanjarian’ny « Fiangonan’Andriamanitra ho malaza
    tsy misy pentipentina na fikentronana . . . », hoy ny Efes 5/27.

Jesoa Kristy Tompo anie hanampy ahy, hanampy anay mivady, hanampy anay sy ny Kristiana rehetra ao amin’ny FJKM Montrouge Vaovao ,hahatanteraka izany HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA.

Amena

Misaotra indrindra Andriamatoa Filoha.

Pasteur Rakotonirina Charles.