Fisoratana anarana

Fisoratana anarana ho isan’ny Fiangonana

RY KRISTIANA HAVANA MPIARA-MIVAVAKA O !
AOKA IANAO HISORATRA HO ISAM-BAHOAKAN’NY FIANGONANA .

Ny Fiangonana dia fiombonana ,na fitambaran’ireo olona nandre sy nanaiky ny ANTSON’Andriamanitra (filazantsara,na Toriteny sy Fampianarana),ka resilahatra sy nanapa-kevitra hiroso,hikambana ho « entité » iray « mihaino ny feon’i Jesoa Kristy,ary tonga andiany iray »(Jao 10/16).Tsy olona te-hitambatambatra fotsiny anefa ,fa resilahatra sy manaiky ary manaraka fandaminana satria « Andriamanitra dia tsy Tompon’ny fikotranana (fikorontanana)fa tompon’ny fiadanana(filaminana ,fandriampahalemana) (1Kor 12/33).

Ny fisoratana anarana ho isam-bahoaka(recensement) dia tena araka ny Soratra Masina, ary ilaina eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany hatrany ( Eks 30/12; 38/25; Nom 1/2; 26/2; Lio 2/1,2; Asa 2/42; Jao 6/6; Lio 9/14; Apok 14/1), sady ho fandaminana no fanambarana fa tena misy marina eo amin’ny tantara sy ny tontolo ahavelomana.
Tsy mety amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny hoe, tsy fantatra anarana sady tsy misoratra n’aiza n’aiza, fa ny olona toy izany dia « kristiana aloka » na kristiana « fantôme » fotsiny ihany sanatria. Raha tsy misoratra anarana ao amin’ny fiangonana ny kristiana dia manamaivana ary tsy mampisy dikany ny Batisa natao taminy, satria ny atao hoe Kristiana dia ny olona vita Batisa, ary ny Batisa dia sady maha Zanak’Andriamanitra no tena maha kristiana miombona ao amin’ny Fiangonana; izany no dikan’ny fisoratana anarana, sy fitondrana na fakana « taratasy fivahiniana » rehefa mandeha mifindra fiangonana. Marihina eto fa raha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ianao, ka miomana handray io Sakramenta io ao amin’ny Fiangonana iray, dia milazà amin’ny Diakona hoe « vahiny aho, ka miomana handray eto aminareo raha azo atao », fa raha tsy izany dia toy ny mangalatra zava-masina sanatria ! Kanefa moa mety hanasa izay mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra tonga eo koa ny Sekreteran’ny Fiangonana, na ny Mpitandrina, mba hanatona ny latabatry ny Tompo,ka dia efa mety izay na dia tsy nahavita fampahafantarana aza ilay vahiny mandalo.
Raha tsy misoratra ho isan’ny Fiangonana ny kristiana, dia milaza zavatra tsy marina rehefa manonona ny Fanekem-pinoana hoe : « mino ny fiombonan’ny olona masina aho ». Matoa fantatra ny isan’ny olona nibebaka tamin’ilay toritenin’i Petera tamin’ny Pentekosta, hoe TELO ARIVO, dia satria tena nisy ny fanisana sy fandraisana ireo olona ireo ho anisan’ny tao amin’ny fiangonana voalohany (Asa 2/41).
Araka ny tenin’i Jesoa Kristy(Mat 10/40; Lio 10/16), dia fankatoavana Azy ny fankatoavana ny fandaminan’ny Fiangonana(ao anatin’ny atao hoe « fandaminana »ireo fanapahan-kevitra samihafa ataon’ny isan’Ambaratonga ao amin’ny Rafitra, izay napetraka araka ny fomba litorjika teo anaty fanompoam-pivavahana.
Tsy mety ny manao hoe, na dia tsy hitan’ny Diakona sy ny Mpitandrina aza aho dia hitan’Andriamanitra ! Eny tokoa, hitany ianao, fa hitany tsy manara-dalàna sy tsy mankato ilay nomeny fahefana ho Tenany ety an-tany hahazo manao ny asa nataony rehetra .
Izay misoratra ho anisan’ny fiangonana, izany hoe ao amin’ny Statistika, no afaka mampihatra ny finoany amin’ny alalan’ny fomba fiasa sy ny fihavanana ary ny firaisan-kina; afaka misitraka sy anatanterahana ireo fehim-pihavanana samihafa toy ny famangiana, fifanotronana, fifanohanana sy fifampitondrana amim-bavaka. Ho avy ny famangiana hataon’ny Mpitandrina, koa tsy maintsy izay misoratra ho vahoaky ny fiangonana (ao anaty statistika) no azo anatanterahana izany.
Farany,dia tena tsy fahendrena ny tsy misoratra anarana ao amin’ny Fiangonana, satria TENA TSY ANKASITRAHAN’NY TOMPO ary ambarany ho TSY FANTANY AKORY NA DIA NILAZA HO EFA NANAO ASA LEHIBE SY NAMOAKA DEMONIA TAMIN’NY ANARANY AZA(Mat 7/21 ,23 ;Lio 13/23-30),ary na dia any amin’ny fitsaràna farany sy any aorinan’ny fahafatesana aza dia tsy maintsy ho very. Hoy ny Apok 20/15 : « Ary raha misy hita tsy voasoratra teo anatin’ny Bokin’ny fiainana ,dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. »
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.