Ireo vondrom-piangonana

IREO VONDROM-PIANGONANA IRAISAM-PINOANA SY/NA IRAISAM-PIRENENA MISY NY FJKM ? ARY IREO FIANGONANA MIARA-MIASA AMINY
Ny fomba nahaterahan’ny FJKM dia tamin’ny alalan’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy fampianarana izany, izay nanirahana sy nampanaovin’Izy Tompo Jesoa tamin’ny fanirahana ireo Misionera avy any ivelan’i Madagasikara(Grande-Bretagne, France). Teraka, nisy, nipoitra avy tamin’ny alalan’ny asa misiona, na vokatra avy amin’ny asan’ny IRAKA nampanaovin’Andriamanitra.Izany hoe,ny fjkm,izay niainga avy amin’ireo Foiben’ny Missions nipoirany, dia tsy hoe fiangonana nisaraka vokatry ny ady na noho ny tetika sy hambom-po sanatria, fa noho ny fahatanterahan’ilay IRAK.
LEHIBE hoan’ny fiangonana avy amin’i Jesoa Kristy mivantana hoe : ” . . .koa mandehana ianareo ataovy mpianatra ny firenena rehetra ,manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo . . . “ (Mat 28/19, 20). Hita taraytra sady iainana ao amin’ny fiangonana fjkm (mpitondra sy vahoaka) io toetra
Anisan’izay maha izy ny fiangonana kristiana io, dia ny hoe “manerana izao tontolo izao” (catholique, universelle), ary « apostolika » satria niorina sy nanaraka ary manaraka ny fampianaran’ny apostoly, dia ny Soratra Masina ; manana izay mampiavaka azy izy eo amin’ny fijoroany amin’ny maha fiangonana azy,ary tsy zovina aminy ny fananany ny toetra tia sy manao ho zava-dehibe ny maha IRAY ny fiangonana ; koa tsy mahagaga ny maha voalohan-daharana ny fjkm amin’ny fitiavana sy fanajana ny fiombonana  eo amin’izay rehetra ataony, toy ny firaisam-piangonana sy fitiavana fiaraha-miasa. Misongadina amin’ireny ny maha mpikambana mpanorina(membre fondateur) azy ao amin’ny FIOMBONAN’NY FIANGONANA PROTESTANTA ETO MADAGASIKARA (FFPM) azy, sy ny ao amin’ny FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRITIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM), ary ny ny FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY (FMBM).
Na dia misiona telo tonta samihafa aza no niditra sy nitory filazantsara ary nanorina fiangonana (London Missionary Society(LMS), Mission Protestante Française na Société des Missions de Paris (MPF, SMEP), ny Friends Foreign Mission Association (FFMA), dia tafatambatra ho IRAY ao amin’ny FJKM izy ireo. Izany no mahalaza ilay hoe efa toetra nahariana sy niainan’ny kristiana ao amin’ny fjkm izany ary toetra nolovàna hahatanteraka ilay vavaky ny Tompo Jesoa hoe “mba ho iray ihany izy rehetra  . . “(Jao 17/21).Tsy hoe mitambatambatra foana tsy araka ny tokony ho izy anefa, fa araka izay tokony ho izy, izany hoe nanaovana fandalinana tsara sy neken’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga, ary nahazoana ny hevitr’ireo mpiara-miasa eo amin’ny fiaraha-mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy efa manana traikefa(expériences) tamin’izany. Hoy mantsy ilay Rain’ny Fiangonana, St Augustin : “na dia mahavita fahagagana aza ianao nefa any ivelan’ny fiombonana dia tsinotsinona izany”’. Tena fiainana sy faharesen-dahatra no anononan’ny Kristiana fjkm hoe “Mino ny fiombonan’ny olona masina aho”, andalany iray ao amin’ny fanekem-pinoana apostolika.
Koa ny fiombonana sy fifandraisana ao anatin’ireo vondrom-piangonana (féderation, conseil, société, association,communauté) misy ny FJKM dia tsy noho ny toe-javatra samihafa fotsiny, na dia mety hisy tokoa aza izany ohatra, fa tena fankatoavana ny Soratra Masina, ny vavaky ny Tompo Jesoa, ary ny Fanekem-pinoana tononina isam-potoana.
Ireto ary ireo vondrom-piangonana misy ny FJKM ankehitriny :

  1. Ao an-toerana=FFPM, FFKM, FMBM, FMMBM(Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly eto Madagasikara, na Ligue pour la lecture de la Bible), FIARAHA-MIASA FJKM/METM(Misiona Teratany eto Madagasikara), MEM/TEM(Mpanazava sy Tily eto Madagasikara). Marina fa ny foibeny ihany ireo fa ny fiarahana miasa amin’ireo sampana sy asa na fikambanana isan-tsokajiny ao aminy avy dia efa tsy tanisaina eto intsony.
  2. Any ivelany na iraisam-pirenena (fiangonana)=COUNCIL FOR WORLD MISSION (CWM) manana ny foibeny any Londres, ary itambaran’ireo fiangonana protestanta 31, avy amin’ny firenena samihafa eto amin’izao tonolo izao;mpikambana mpanorina (member fondateur) ny FJKM ao ary efa tamin’ny taona 1975 no nisiany ; teny anglisy avokoa no ifandraisana. Ao ny COMMUNAUTE EVANGELIQUE D’ACTION APOSTOLIQUE (CEVAA), antsoina koa hoe EGLISE en Mission ;misy fiangonana miisa 42,avy amin’ny firenena 40 samihafa, ary frantsay  kosa no teny ifandraisana ao ; any Montpellier, France ,no foiben-toerany, ary niorina efa tany amin’ny taona 1974 ; mpikambana mpanorina ny FJKM ao.

Ny  CONFERENCE DES EGLISES DE TOUTE L’AFRIQUE(CETA), manana ny foiben-toerany ao Nairobi-Kenya.Fiangonana(synoda)marobe manerana an’i Afrika no Mpikambana ao ,ary mpikambana mpanorina koa ny fjkm.
Ny ALLIANCE REFORMEE MONDIALE (ARM), manana ny foiben-toerany any Genève. Efa mpikambana naharitra tao ny fjkm ary manana ny anjara-toerany (quota) ao. Anankiray amin’ireo Vice-Presidents ny mpitandrina FJKM, vehivavy, malagasy. Membre « cotisant » rahateo izy. Synodam-piangonana marobe (aman-jatony) no miombona ao.
Ny  CONSEIL OEUCUMENIQUE DES EGLISES (COE) ,manana ny foiben-toerany ao Genève ihany koa.
Mpikambana feno,mandoa « cotisation », manana ny zony feno koa ny FJKM ao. Ity moa no anankiray amin’ny vondrom-piangonana kristiana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Fanamarihina :Tamin’ny 18 – 28 juin 2010 dia nisy fivoriam-be manan-tantara nataon’ny ALLIANCE REFORMEE MONDIALE sy ny REFORMED ECUMENICAL CHURCH ,(ARM sy REC) tany Etats-Unis, tao Michigan, Grands Rapids, toerana : Calvin College. Vondrom-piangonana protestanta ngezabe roa tonta ireo ary nanapa-kevitra fa hitambatra ho iray ary nitondra ny anarana hoe : COMMUNION MONDIALE DES EGLISES (CMER) na WORLD COMMUNION OF REFORMED CHURCH (WCRC). Mpikambana feno avy hatrany ny FJKM, ary nanana anjara toerana (quota) ara-dalàna (fa tsy hoe vahiny nasaina – invité). Ireto avy ireo solontenan’ny FJKM tany :Ny Filohan’ny FJKM, solontenan’ny vehivavy FJKM iray,ny solontenan’ny Birao foibe iray,ary solontenan’ny tanora FJKMiray ka ny solontenan’ny STK avy amin’ny Synodamparitany faha 37 no nanatanteraka izany, avy ao amin’ny FJKM Montrouge Vaovao.

IRETO KOSA IREO SYNODAM-PIANGONANA  MIARA-MIASA AKAIKY AMIN’NY FJKM.

  1. Eglise Réformée de France (ERF)
  2. Departement missionnaire de la Suisse Romande (DM)
  3. Presbiterian Church of United States (PC – USA)
  4. Eglise Presbyterienne de Maurice (EPM)
  5. Eglise Evangelique d’Allemagne, sy ny Eglise Vaudoise d’Italie
  6. Presbyterian Church of Taïwan(PCT)
  7. Presbyterian church in Republic of Korea
  8. Dutch Reformed Church in  South Africa Republic

Ny FEDERATION PROTESTANTE DE FRANCE(FPF) dia mifandray mivantana sy miara-miasa amin’ny FOIBE sy ny BIRAO FOIBE fjkm.Ny Synodamparitany faha 37 dia miankina mivantana amin’ny foibe FJKM, toy ireo Synodamparitany 36 hafa manerana ny saha FJKM; koa na dia aty France aza ireo fitandreman a(paroisses) ao amin’ny SP 37, dia tsy afaka ny haningana ho lasa fiangonana manana ny fototra nipoirany aty Frantsa ka ho afaka hilaza tena hoe “Protestante de France”.Synodamparitany iray toy ireo hafa izy ary mifamatotra amin’ny maha fjkm azy any amin’ny foibe, satria fitaran’ny fisiany sy ny asany ihany izany.Misy kosa anefa ny fifandraisany amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny FPF, amin’ny zavatra maromaro .Fa raha ny any an-tanindrazana(Mkara).
dia misy ireo asa lehibe tohanan’ny Federatrion Protestante de France ,toy ny asa sosialy sy fanabeazana.Toy izany koa ohatra ny fisian’ny fjkm any Gland/Suisse,tsy hoe “Eglise Protestante de  Suisse” izy ary tsy mpikambana ao amin’ny Vondrom-piangonana  Suisse,fa fjkm ato amin’ny SP 37,saingy miara-miasa tokoa amin’ireo fiangonana  any an-toerana.
Fa ankoatr’ireo Vondrom-Piangonana sy Synodam-Piangonana voalaza ireo,dia misy koa ireo Fikambanana samihafa miara-miasa akaiky amin’ny fjkm n any Sampana sy Sampanasa ao aminy  araka ireto:

  1. ICCO any Pays-Bas
  2. USAID any Etats-Unis
  3. CIMADE, APPEL, ACAT, La CAUSE, samy ao France
  4. MONEY for MADAGASCAR,WATER-AID,samy any Grande Bretagne
  5. CATHOLIC RELIEF SERVICE
  6. PAIN POUR LE MONDE

Ireto ny Toeram-Panomanana Mpitandrina,na Institut Superieur sy Faculté de Theologie ifandraisan’ny fjkm sy ekeny ary andefasany Pasteurs hiofana :

  • Faculté de theologie, Montpellier
  • Faculté de theologie, Paris
  • Faculté de theologie, Strasbourg
  • Faculté de theologie, Calvin College,Grands Rapids,Etats-unis
  • Faculté de theologie, New Jersey,Etats-Unis
  • Faculté de theologie, Neuchatel/Suisse
  • Faculté de theologie, Lausanne/Suisse
  • Faculté de theologie Protestante, Allemagne
  • Faculté de theologie, Manchester sy Birmingham, Grande Bretagne
  • Faculté de theologie,Yaoundé –Cameroun
  • Institut Oeucumenique de Bossey /Suisse.
  • Faculté de theologie,Corée du Sud

Efa nisy Mpitandrina niofana sy nahavita ny fianarany teolojia avokoa avy amin’ireo toerana voatanisa ireo ary mbola misy any,nefa koa tsy mitsahatra mikaro dalana ny Birao Foibe .
Nisy ireo Faculté na toeram-piofanana sasany efa nandefasana Mpitandrina niofana ihany ,saingy tsy dia tena mbola nisy fifanarahana nazava nifanaovana ka dia aleo aloha tsy asiam-pitenenana eto avy hatrany. Fantatr’ireo toerana rehetra ireo tsara ny fjkm  ary  tena matotra tsara tokoa ny fifandraisana misy sy mitohy.
Izay indray ary aloha ny momba anao ry FJKM ka mahereza ary mijoroa tsara fa tsy manjavozavo  akory .Fiangonana manana iraka lehibe tsy maintsy tanterahina ianao ary tsy velona samirery eto amin’izao tontolo fa fantatry ny hafa ary mifandray amin’ny hafa.
Dia amin’ny manaraka indray raha sitrapon’Andriamanitra.