Ny antom-pisian’ny FJKM aty am-pitan-dranomasina

Nandritra ny taona maro dia Aumônerie Protestanta Malagasy no nisy taty Frantsa araka ny fandaminan’ny Fiangonana tany Madagasikara (Loterana sy Reformée na FLM sy FJKM) mba hitaizana ny finoan’ireo nanao miaramila tao amin’ny tafika frantsay sy ireo mpianatra nandranto fianarana.

Nitombo hatrany ny isan’izy ireny, tao koa ny efa niomana hijanona sy honina taty an-dafin-dranomasina, ka nanambady sy niteraka. Nilaina mihitsy araka izany ny fisian’ny fitaizana maharitra sy mitohy, ary indrindra ny Batisa sy fanokanana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ho an’ireo nianatra katekomena na konfirmasiona. Ho an-dry zareo fiangonana episkopaly, toy EKAR (Katolika romana) sy EEM (Anglikana) moa dia tsy mba nanahirana azy izany fa mety avy hatrany araka ny fandaminana ao aminy, ny tonga dia ao amin’ny fiangonana miray aminy efa misy ao an-toerana, mitovitovy hevitra amin’ny fampiharany ilay hoe « église du quartier ».

Nanapa-kevitra ireo nivavaka tamin’ny Aumônerie taty an-dafy fa aleo mangataka hiorina sy hijoro ho fiangonana mihitsy satria izany no manome lanja ny Sakramenta irin’ny kristiana sy atolotry ny Fiangonana, ary neken’ireo Fiangonana reny nipoirana avy any Madagasikara (Loterana sy Reformée) izany. Dia tafajoro ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA). Nampifandimbiasin’ ny Fiangonana roa tonta ny ho Pasteur Synodal tao amin’ny FPMA mba handrindra ny fitondrana sy Fandaminana samihafa ka tsy hivaona amin’ny maha izy azy ireo Fiangonana Roa ireo.

Teo anelanelan’ny 1992 -1998, dia nanapa-kevitra ny FPMA fa mety raha miova ho SYNODA iray mahaleo tena, tsy miankina mivantana amin’ny FLM sy ny FJKM intsony ny FPMA. Samy tsy mbola nanaiky ny hanaovany an’izany anefa ny Fiangonana Reniny roa tonta tany Mkara. Ry zareo Mpitarika sy tompon’andraikitra tao amin’ny FPMA etsy an-kilany efa tena vonona sy maika ny hiroso. Somary nanana ny akony koa moa ilay mbola tsy fahavononana tany Madagasikara (FFPM) ny ho Fiangonana tokana, ary dia tsy natao ho tanjona hotratrarina intsony aloha, fa aleo mifankahalala tsara ny amin’izay maha izy azy ny roa tonta, ary ny fiaraha-miasa no aoka ho tohizana

Dia nanapa-kevitra ny Foibem-piangonana roa tonta fa ahato ny fifandraisana amin’ny FPMA aloha. Izany no anankiray amin’ny antony nahatonga ny Foibe FLM nanangana ny Fiangonana Loterana Malagasy taty Eoropa, sady nentiny namaly ny fanirian’ireo kristiana loterana zanany rahateo. Nanana ny dingana samihafa nirosoany izy ireo tamin’izany araka ny efa voarakitra ao amin’ny tantarany, fa efa Dimy ambiroapolo (25) taona izao no nisiany taty Eoropa. Dia lasa nankany amin’ny FLM aty Eoropa avokoa ireo zanaky ny FLM taty an-dafy.
Ny FJKM kosa dia efa taona vitsivitsy taty aorinan’ny fijoroan’ny FLM taty an-dafy, vao nahazo fangatahana avy amin’ireo Kristiana zanany, ary ny Fiangonana Protestanta tao Wagner sy ny tao Montrouge, dia efa nampihatra tao amin’ny fombany ny litorjia sy ny Perikopa izay navoakan’ny FJKM FOIBE. Izy ireo no nangataka ny ho FJKM aloha, araka ny hetahetany. Dia nisy ny fifandraisana tamin’ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, ka nanekena azy ireo ho anisan’ny Fiangonana Fjkm, talohan’ny Synoda Lehibe tany Ambatondrazaka tamin’ny Aogositra 2004. Fa io SL tany Ambatondrazaka io no nanasàna voalohany ny solontena avy aty Frantsa.

Tany amin’ny Synoda Lehibe tany Mahajanga, Aogositra 2008, no nanapahan’ny Fiangonana FJKM ny hevitra hananganana ny Synodamparitany aty am-pitandranomasina, satria efa tsinjovina avy hatrany ny hitaran’ny fiorenan’ny FJKM any, araka ireo resaka sy dinidinika nifanaovan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe tamin’izany, tamin’ireo kristiana zanaky ny FJKM.

Nanomboka àry ny fifandraisana samihafa niarahana tamin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana ho fanomanana ny fananganana ny Synodamparitany sady nanendry Mpitandrina hiasa, hitondra fiangonana aty Frantsa ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe.

Dia nitokanan’ny Filohan’ny FJKM sy ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, niaraka tamin’ireo Mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Synodamparitany faha 37, izay nampitondraina ny anarana hoe VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA ny 28 sy 29 Septambra 2009, izay natao tao amin’ny Fjkm Wagner, 7 bis Rue du Pasteur Wagner Paris 75011.

Taorian’izany dia tonga ny faniriana avy any Québec any Canada, fa hanorina fiangonana FJKM koa ireo kristiana Malagasy zanaky ny FJKM, ary napetraka tamin’ny SP VFA -37, ny fitokanana izany

Ankehitriny dia misy folo ireo fiangonana FJKM eto amin’ny SP VFA :

  • Wagner Finoana
  • Peniela Fitiavana (Champigny teo aloha)
  • Gland-Suisse
  • Ziona Vaovao Paris (Montrouge Vaovao teo aloha)
  • Nantes
  • Strasbourg Famonjena
  • Rennes- Laval
  • Montrouge Paris
  • Filadelfia Meaux
  • Betela Fahamarinana.

Miampy ny Fiaraha-mivavaka FJKM any Freibourg any Allemagne.

Ireto kosa ny any Canada (Amerika Avaratra) :

  • Québec
  • Montréal
  • Ottawa.

Any amin’ny 3000 any no isan’ireo misoratra anarana, afa tsy ireo izay mbola tonga mivavaka fotsiny fa tsy tena mbola misoratra ho isam-bahoaka FJKM. Rehefa tonga mantsy ireo andro manokana toy ny Krismasy, Taombaovao, Paska, Pentekosta, dia tsy maintsy manofa trano fiangonana lehibe sy malalaka fa tsy antonona ny olona ny trano fiangonana efa mahazatra sy fampiasan’ny isan-tokony, isan’alahady, ka izay no ahatsapana fa maro ireo zanaky ny FJKM aty am-pitan-dranomasina na dia mbola tsy tena vonona ny hanangana fiangonana avy hatrany aza izy ireny

Miavaka mihitsy ny fomban’ny fiangonana FJKM, na amin’ny fandaminana, na amin’ny litorjia, na amin’ny fitaizana sy ny fampianarana, ary izay no maharesilahatra ny maro izay tsy mbola misoratra ho kristiana n’aiza n’aiza eto an-dafy, nefa tena zanaky ny FJKM izy avy any Madagasikara.

Mitombo ny isan’ny kristiana, kanefa dia ilaina koa ny filaminana mba hampiorina tsara satria ho maharitra sy mitohy no ilaina fa tsy fiangonana isaky ny fety ihany akory. Tsy vitsy koa no mbola matahotra fa sao toloran’ny Foibe FJKM adidy betsaka eo hono !!!!. Rehefa nohazavaina ny antom-pisian’ny Fiangonana, miampy ilay fanapahan-kevitry ny SL tany Mahajanga hoe “Rehefa misy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo folo fara-fahakeliny dia azo aorina na atsangana ny Fiaraha-mivavaka FJKM, izay miroso ho Fiangonana FJKM aoriana rehefa hita sy fantatra fa mety ny hiorenany ho tena Fiangonana, herintaona aorian’izany” dia vonona sy tapakevitra ihany izy ireny.

Miara-miasa akaiky amin’ny FLM ny FJKM aty am-pitandranomasina, ary efa tena iainana tsara ny maha ao anatin’ny FFPM azy ka itondran’ny anarana hoe FFPME (FFPM Eoropa). Tsy mbola misy ny ifandraisan’ny FJKM, na fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana zandriny kosa anefa, satria miankina amin’ny fandaminana sy fandrindrana ary fanapahan-kevitra avy any amin’ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izany.

Tsy mora araka ny fihevitry ny olona sasany azy, ny fitaizana sy fiorenan’ny Fiangonana FJKM aty am-pitandranomasina, satria maro no mihevitra hoe, “nahoana ny zanaky ny FJKM no tsy miditra amin’ireo Fiangonana efa misy, na fiangonana frantsay sy ny hafa, na ny FPMA ?”. Mazava anefa ny antom-pisian’ny FJKM aty am-pitandranomasina : hitaiza sy hanolokolo ny finoan’ireo zanany, araka izay efa nampiainany sy nampianariny azy, nanomboka teo amin’ny faneken’ny Batisa sy ny fanekena teo amin’ny nandraisana azy ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.
Tena misy maha samy hafa azy mantsy ny fomba sy fampianarana ary ny volintsaina aty amin’ny tany avaratra sy efa anjakan’ny harena mbamin’ ny teknolojia avo lenta, mitaha amin’ny any amin’ireo firenena any amin’ny tapany atsimo, toa antsika Malagasy, (Ohatra fotsiny : ny ankizy rehefa vita ny Sekoly Alahady, ao amin-dry zareo fiangonana vazaha, dia avoaka sy asaina manao fanalana andro samihafa ao amin’ ny efitra iray, fa ny raiamandreny sy ny olon-dehibe no manatanteraka feno ny fanompoam-pivavahana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Aty amintsika FJKM anefa ny Sekoly Alahady dia manatrika sy mandray anjara manontolo ao amin’ny fanompoam-pivavahana ary mahazo sy mahazaka tsara an’izany.Santionany io momba ny ankizy Sekoly Alahady io, fa maro be no azo lazaina, na eo amin’ny Rafitra sy fandaminana, na eo amin’ny Fampianarana sy Fitaizana.

Izany no fifalian’ireo mahita fiangonana FJKM aty am-pitan-dranomasina sy mivavaka any amin’ny FJKM, satria mahatsiaro fiombonana amin’ireo rehetra mpiray fitaizana sy finoana ary fomba fivavaka izy ireo. Marihina eto fa, tsy tena fahamasahana eo amin’ny finoana mihitsy ny fitenenana hoe “samy Andriamanitra iray ihany re” ka dia lasa miriorio etsy sy eroa tahaka ny alon-drano atopatopan’ny rivotra ; mbola tena betsaka amin’ireo zanaky ny fiangonana tonga aty am-pitan-dranomasina ny manana io fisainana io. Koa ilaina ny ahalalan’ireo mpino kristiana hoe “aiza na taiza no vavahadin’ny lanitra sy tranon’Andriamanitra nahazoako sy nahalalako an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, ary voatanako ve ny fanekena teo amin’ny Batisa sy teo amin’ny nandraisana ahy ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo?”.

Ny hafatra hifampitana dia izao : Antsoy ary ampahafantaro an’ireo rehetra zanaky ny FJKM tsy misy fitaka any am-pielezana,fa efa miorina any am-pitandranomasina ny fiangonana FJKM, satria asain’ny Tompo Jesoa manaraka sy manohy ny fitaizana ireo kristianina nateraky ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy masina tao aminy araka ny Matio 28/18-20.

.Koa “tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo,sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo”(Isaia 51/1)

FANAMARIHINA : Tsy Fiangonana hafa sy vaovao akory ny FJKM am-pitan-dranomasina, miombona ao amin’ny Synodamparitany VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA, faha 37 amin’ireo Synodamparitany miisa 38 ankehitriny (taona 2018), fa tena fitaran’ny FJKM avy any Madagasikara. Izany no maha-faha 37 azy, sy itondrany tsara ny anarana hoe FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA (FJKM). Izany koa no tsy maha mpikambana azy ao amin’ny FEDERATION PROTESTANTE DE FRANCE (FPF) na mahahamaika azy hiditra ao satria tsy Fiangonana manokana sy miorina manokana aty Frantsa izy, fa fitaran’ny avy any Mkara ary tena miankina amin’ny Foibe Fjkm na amin’ny Rafitra na amin’ny Ambaratongam-pitondrana isan-tsokajiny, toy ny maha ao amin’ny Synodamparitanin’I Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara (SP 31) ny FJKM any La Réunion ohatra. Lazaina eto kosa anefa fa tena mifandray akaiky amin’ny Fédération Protestante de France ny SP faha 37, satria ny Foibe any Madagasikara (Foibe FJKM) dia mifandray mivantana aminy araka ny Rafitra. Ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ireo Fiangonana samihafa aty Frantsa, afa-tsy ireto ihany : ny Eglise Protestante Unie de France (EPUdF) izay iombonan’ny Loterana Frantsay sy ny Eglise Réformée de France teo aloha, dia tsy mbola misy mihitsy eny fa na dia hoe samy Malagasy aza. Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra sy fandaminan’ny Mpiandraikitra Foibe mantsy izany. Tsy fototry ny fiombonana amin’ny maha-Fiangonana ny hoe “samy Malagasy sy ny hoe samy Andriamanitra iray ihany ka andao hiaraka ”. Fanaovana varo-boba ny finoana sy ny fampianarana izany, ary tena tsy fahalalana ny maha izy azy ny atao hoe FIANGONANA. Hafa ny fihavanana, ary tena mahasoa ny fifanajana sy ny firaisana-kinan’ny mpiray tanindrazana,na amin’ny fifaliana na amin’ny fahoriana ( fahita sy fanaon’ny Malagasy aty an-dafy izany ary rariny sady mety), fa hafa mihitsy ny ny maha Fiangonana sy ny finoana ary ny fampianarana iorenana ( cf: “fantatro izay inoako”(2Tim 1/12) ).

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA.

Pasteur Rakotonirina Charles, Filohan’ny Synodamparitany faha 37.