HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 04/ SL XVIII

EGLISE DE JESUS CHRIST A MADAGASCAR
CHURCH OF JESUS CHRIST IN MADAGASCAR
«Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika» (2Tim. 1: 8a)

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 04/ SL XVIII
CFD Ampandrana: 18 -25 Aprily 2018

Ry Havana,
Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. (IIPet 1/2)
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ara-potoana teto Antananarivo CFD Ampandrana tamin’ny 18-25 Aprily 2018, dia miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Paska 2018, ary mamangy sy mampahery ny isan-tsokajiny avy ato amin’ny FJKM, ary mandefa izao hafatra izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny isan’Ambaratonga:
A. Eo amin’ny Fiainam-piangonana:
1. Tonga namangy antsika FJKM ka nihaona tamin’ny Mpiandraikitra Foibe Andriamatoa Douglas Tilton, mpiandraikitra ny fiaraha-miasa ao amin’ny PCUSA aty amin’ny faritry Afrika sy Ramatoa Lois Palecek mpandrindra ny Madagasikara Mission Network.
2. Misaotra an’Andriamanitra Ray Tsitoha izay mampiseho ny Voninahiny miharihary eo amin’ny fandrosoan’ny Fiangonana FJKM, na amin’ny finoana, na amin’ny asa sy ny fiombonana. Fantatra izany eo amin’ny fiainan’ny Fitandremana sy ny Sampana ao aminy avy, ary ny Synodamparitany rehetra.
3. Na eo aza ireo toe-javatra samihafa: fisondrotry ny vidim-piainana tsy mitsahatra, ny tsy fahampian’ny fandriampahalemana…, dia isaorana sy ankasitrahana ny Synodamparitany, Fitandremana tsirairay, ireo Fiangonana Mpanampy I sy II, ary ireo Fiangonana manampy, fa mihatsara sy mitombo hatrany ny fandrotsahana Adidy Iombonana na aty amin’ny Foibe FJKM na any amin’ny sehatra misy azy avy.
4. Mitohy sy mivoatra ny isan’ireo Fiangonana sy Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka, vokatry ny Tafika Masin ataontsika hahatanteraka ny Vinan’ny FJKM hoe “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Ankehitriny dia efa misy vondron’Olona mpiara-Mivavaka any amin’ny kaominina 150 amin’ireo 407. Miantso antsika hanohy ny ezaka efa natao.
5. Misaotra an’Andriamanitra Ray isika FJKM fa amin’ity taona 2018 ity dia hamoaka sy haniraka Mpitandrina miisa 111 sy ho mpampianatra 55 mianadahy, ary manam-pahaizana ara-pahasalamana 32 avy ao amin’ny Oniversity Ravelojaona miampy ireo Mpitandrina nahazo Master 72.
6. Mitombo sy mihatsara hatrany ny asa fanabeazana sy ny fampianarana ato amin’ny Sekoly FJKM. Asehon’ny fihatsaran’ny fandaminana sy ny fitantanana izany.Hampiharina manomboka izao ny Kitapo iombonan’ny Sekoly (KIS)
7. Nankatoavina tamin’izao fivoriana izao ny Tonian’ny SFL, ny Talen’ny FFP, ary ny Rektoran’ny Oniversity Ravelojaona. Tafajoro ny Filankevi-pitondran’ny Oniversity Ravelojaona, sy ny Fondation FJKM Pasteur Ravelojaona, ary ny “Societe Civile Immobiliere”. Noraisina ho Asa ato anatin’ny FJKM NY Akany Fialofana Tangaina AkaFiTa ary voatendry koa ny Tale ao.
8. Ho tanterahina eny amim’ ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana amin’ny 15 — 18 Mey 2018 ny Synodampinoana Voalohany.
9. Mampatsiahy sy manentana antsika amin’ny fankalazana ansAndriamanitra amin’ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM sy ny faha 200 taonan’ny LMS.
B. Momba ny fiainam-pirenena: Eo anoloan’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena: *
10. Ny FJKM dia tsy mankasitraka izay rehetra fampiasan-kery ampiharina eo amin’ny famahana olana samihafa.
11. Miantso ny hisian’ny fihaonana sy ny fifampihainoana hatrany ho an’ny fandaminana sy fikatsahana vahaolana mba hisorohana ny fifandonana sy ny fifampiandaniana.
12. Manohy ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana, amin’ny endriry rehetra ny FJKM.
13. Miantso ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba tsy hanaiky na hanome vahana ny fanomezana na fivarotana ny tany sy ny harem-pirenena amin’ny vahiny sy ireo olom-bitsy manampatra fahefana.
14. Manentana antsika fiangonana rehetra tsy hitsahatra hitondra amim-bavaka ny firenentsika toy izay efa nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra toa an-dry Nehemia (Neh 1/5,6). Hamafisina miaraka amin’izany koa anefa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny fiombonana, na amin’ny teny, na amin’ny asa rehetra.

FANAPAHAN-KEVITRY NY MF04/SLXVIII
FIATREHAN’NY FIANGONANA FJKM NY RAHARAHAM-PIFIDIANANA
1. Hamafisina hatrany fa :
– Ny FJKM dia « Fehezin’ny hitsivolana laharana faha : 62- 117 tamin’ny 01 Oktobra 1962 » (FDF And1. tak13)
– Mitovy amin’ny fanompoam-pivavahana rehetra ny fanompoam-pivavahana anasana Manam-pahefana ao am-piangonana. Tsy azo ampidirina ao am-piangonana ny zavatra fanao ivelan’ny Fiangonana, toy ny sainam-pirenena, afa-tsy , raha misalotra amin’ny tena na vatana, ny kabary, ny hiram-pirenena ny fanomezana mari-boninahitra sy ny toy ireny » (FDF and7. Tak38)
2. Ny Manam-pahefana nasain’ny Fiangonana hiatrika ny fanompoam-pivavahana dia azo omena anjara fitenenana, ka aorian’ny fanompoam-pivavahana vao mandray anjara fitenenana izy ary ny Fiangonana hatrany no mandray anjara fitenenana farany.
3. Mandritra ny vanim-potoanan’ ny fampielezan-kevitra, dia tsy mahazo mandray anjara fitenenana momba fifidianana ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM ny kandida na ny mpanohana azy.
4. Ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana, izany hoe : mialoha sy ao anatin’ny fampielezan-kevitra; dia tsy ekena ny fangatahan’ny antoko politika hanao fanompoam-pivavahana ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM. Ny Fiangonana kosa dia vonona ny hitondra am-bavaka ireo zanany mirotsaka an-tsehatra amin’ny politika.
5. Ny trano sy ny fanaky ny Fiangonana sy ny Sekoly FJKM dia tsy azo ampiasaina na ampindramina na ampanofa na ho amin’ny raharaha politika.
6. Ao am-piangonana sy amin’ny fivoriam-piangonana ary amin’ny Sekoly FJKM dia tsy azon’ny kristiana sy ny mpianatry ny Sekoly FJKM atao ny manao kabary politika. Izany hoe: tsy mahazo mampirisika hifidy na tsy hifidy olona izy
Tsy azon’ ny Mpitandrina sy ny Kristiana atao ny mitondra ny mariky ny antoko politika fa andraikitry ny Mpitandrina kosa ny mitaiza ny olona handray andraikitra, hivavaka sy hifidy ary hanara-maso ny fifidianana, ary hampirisika ny olona hifidy izay matahotra an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina sy mandala ny fahamarinana.
7. Tsy azon’ ny Sampana, Sampanan’asa ary Asa atao amin’ny maha sampana ao anaty Fiangonana azy ny mitondra fanamiana na famantarana amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra na mampiasa ny anaran’ny Sampana ao anaty fampielezan-kevitra.
8. Ampirisihina ny Kristiana rehetra mba hijoro amin’ny fahamarinana ary hanara-maso ny fifidianana. Ampirisihina ny fananganana rafitra mpanara-maso ny fifidianana eo anivon’ny Fiangonana.
9. Ekena sy ankasitrahana ny hanatanterahan’ny FFKM ny fihaonana amin’ny zanany. Ny FJKM manokana, isan’ambarantongan-drafitra dia hanohy ny ezaka efa natao mialoha ny an’ny FFKM.
10. Ny BMF sy ny Mpitandrina, ny Tale sy Tonia ary ny Filohan’ny SSA maniry hirotsaka ho kandida dia mampandre mialoha amin’ny ambaratonga mpiahy azy.

“Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanorre anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra”. (II Tes 3/16)

Antananarivo faha 25 Aprily 2018 Ny Filohan’ny FJKM.
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina