Iza moa ianao ry FJKM ?

Endrika sy fomba isehoan’ny Fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ka tanteraka eto amin’izao tontolo izao ny fielezan’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fiorenan’ny fiangonana kristiana manerana ny Kaontinanta dimy eto an-tany.Marina fa mbola be ireo faritra tsy henika kanefa kosa dia tsapa sy hita ny fandrosoany sy fitarany.Samy manana ny fotoanany avy mantsy ny zavatra rehetra (Mpitoriteny 3/1,17)ary koa mivoatra sy mifandimby ny fandrosoana ho any amin’izay hikendren’Andriamanitra ny fiainan’ny olombelona (Salamo 19/1,2), satria IZY no fiandohana sy fiafarana, Ilay Ankehitriny sy Taloha ary Ho avy (Jao 1/1; Apok 1/1,8; 2/8).

  1. Tamin’ny taona 1818 dia tonga tany Madagasikara ny iraky ny London Missionary Society (LMS), ka sady nanorina fiangonana protestanta (reforme) no nanorina sekoly.
  2. Tonga koa ny iraky ny FRIENDS FOREIGN MISSION ASSOCIATION (FFMA) tamin’ny taona 1867 ka ankoatry ny fiangonana sy sekoly dia nanangana ny asa sy fampianarana momba ny fitsaboana.
  3. Ny MISSION PROTESTANTE FRANCAISE(MPF) kosa na nantsoina koa hoe SOCIETE DES MISSIONS EVANGELIQUES DE PARIS,dia nigadona sy nanomboka ny asany tamin’ny taona 1896.

Niroso hoamin’ny fahaleovantenany ny fiangonana zanak’ireo MiSIONA telo tonta ireo ka tao aorian’ny taona 1953 dia niova anarana toy izao:

  • ny LMS = Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara (FKM)
  • ny FFMA = Fiangonana Frenjy Malagasy (FFM)
  • ny MPF = Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasikara (FPM)

Nisy vokany lehibe tamin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy ny fijoroan’ny Filan-kevitry ny fiangonana eran-tany natao tany Amsterdam (Pays-Bas) tamin’ny taona 1948 ‘satria ny fiangonana zanaky ny misiona loterana telo tonta izay niasa tany amin’ny faritra atsimon’i madagasikara dia tafatambatra ho iray ka nantsoina hoe FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (FLM), ary iretsy Fiangonana zanaky ny Misiona Reforme voalaza ery aloha kosa dia niara-niasa tao anatin’ny atao hoe KOMITY INTERMISIONERA ary nanomana ny firaisan’ny Fiangonana telo tonta(FKM, FFM, FPM) izay tafatambatra ho iray ihany tamin’ny 18 AOGOSITRA 1968 tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny SYNODA LEHIBE VOALOHANY tao Toamasina ka nitondra ny anarana hoe FIANGONAN I JESOSY KRISTY ETO MADAGASIKARA(FJKM).Niara resy lahatra ny mpivory rehetra tao amin’ny Synoda lehibe voalohany fa tsy fiangonan’ny Anglisy io na fiangonan’ny Frantsay na fiangonan’ny sakaiza(frenjy) fa Fiangonan’i JESOSY KRISTY ,saingy miorina aty Madagasikara ,tahaka ireo fiangonany miorina any amin’ny firenena hafa koa ! Marihina eto fa tena foto-kevitra lehibe amin’ny fjkm io ka anekeny ny maha MANERANA IZAO TONTOLO IZAO (universel, catholique) ny fiangonana kristiana ka anekeny sy anaovany ho ho zava-dehibe ny FIOMBONANAna eo amin’ny finoana na eo amin’ny rafitra, satria ny fanekempinoana sy ny firaisan’ny fiangonana kristiana dia sady inoanano iainana (ampiharina sy ivelomana isanandro). Na dia tao aza ny nety ho fahasamihafana dia natao ho zava-dehibe ny firaisana sy ny maha tenan’i Kristy ny Fiangonana Izany no endrika hita maso isehoan’ny FANETRENTENAN NY FIANGONANA ka antony anajan’ny FJKM ny firaisana sy fiombonana ao amin’ny Tenany aloha ,dia amin’ny alalan’ny Rafitra sy Fandaminana, ary eo amin’ny firaisany amin’ireo vondrompiangonana(organisation internationale) eran-tany toy ny CWM, COE, CETA, ARM, CEVAA ary iarahany miasa amin’ny DEFAP, DM(departement missionnaire de la Suisse romande) ,ny PCUSA na presbyteran church of USA; ny ERF, ny EGLISE EVANGELIQUE ALLEMANDE; afa tsy ireo fikambanana kristiana samihafa miankina na mifandray amin’ireo vondrom-piangonana ireo.Momba ny FEDERATION PROTESTANTE DE FRANCE (FPF) dia mazava loatra fa vao haingana ny nisian’ny fjkm ara-drafitra (structure) taty am-pitandranomasina ary mbola tsy nisy dingana natao hirosoana amin’izany ,fa na ny fisian’ny synodamparitany izay Rafitra Mpiahy aza dia mbola tsy ampy iray taona akory!! Marihina eto kosa anefa fa ny Federation Protestante de France dia efa mpiara-miasa amin’ny FJKM Foibe any Madagasikara .Ireto ny asa lehibe roa vao niarahana :

  • Centre de Reinsertion Sociale hofanarenana ireo mpidroka zava mahamamo sy mahadomelina any amin’nySynodamparitany Amoron’ i Mania Ambositra.
  • Trano lehibe misy rihana telo mihofa ,eo Faravohitra (Antananarivo),mba ho loharanom-bola maharitra ho fanohanana ny Sekoly Fjkm.

Ny amin’ireo Vondrom-piangonana samihafa ireo indray no asian-teny amin’ny manaraka !!